Ivotoerana Fomongorana ny Valala eto Madagasikara

Ny valala sy ny mombamomba azy

Misy karazany 10 000 ny valala eto amin’izao tontolo izao, ka ny 300 amin’ireo dia manana fiantraikany ara-toe-karena ary ny 12 amin’ireo dia afaka miova toetra sy fomba fiainana arakaraka ny hakitroka. Roa amin’ireo ihany no hita eto Madagasikara izay nokilasiana ho fanetribe.  Efa hatramin’ny ela no nisian’ireo karazam-balala eto Madagasikara, fa ny fanambarana an-tsoratra voalohany dia tamin’ny 23 Mey 1617 izay nataon’ny Misionera (Portugais) tao Saint-Augustin. Nifandimby teto ireo andiam-balala ka anisan’izany ny tamin’ny taona 1997-2000 izay nandrakotra ny efatra ampahadimin’ny Nosy. Nandritra ny taon-jato roafarany, dia 11 eo ho eo ny andiam-balala nisy teto Madagasikara, fa nytelo amin’ireo dia tsy nahavanona:

  • 1880-1888
  • 1899-1904
  • 1909-1915
  • 1921-1929
  • 1939-1957
  • 1960-1962 (Fandrahonana tsy nahavanona)
  • 1981-1982 (Fandrahonana tsy nahavanona)
  • 1991-1994 (Fandrahonana tsy nahavanona)
  • 1997 à 2000
  • 2013>

Haingam-pitombo ny valala. Rehefa mahazo fepetra mety amin’ny toe-piainany fotsiny toy ny fatran’orana ilainy sy ny hafanàna izy dia velona. Ohatra: ny fatran’orana eo anelanelan’ny 50 sy ny 150 milimetra isam-bolana, miaraka amin’ny maripàna 27° ka hatramin’ny 35° dia ilain’ny atodim-balala hahafoy azy. Ao zaraian roa ny valala. Ao ny atao hoe « sautériaux » toy ny adrisa, valalan’alika, tsiboroty, sns… Ao koa ny antsoina hoe « locustes » na fanetribe dia ireo izay afaka manao andiany maro. Isanandro, ny valala iray dia mahalany sakafo mitovy amin’ny lanjany. Izany hoe raha eo ho eo amin’ny 2g eo ny lanjany dia mahalany zava-maitso eo amin’ny 2g isanandro koa izay. Ny lanjan’ny zava-maitso lanin’ny andiam-balala ao anatin’ny iray andro dia mitotaly amin’ny taonina maromaro.

                

 

Famonom-balala voafehy, fambolena sy fiompiana mahomby