Ivotoerana Fomongorana ny Valala eto Madagasikara

Bureau siège Mitsinjo Betanimena Toliara

Station autonome pour relevé météo

Opération "Rodobe"

Prospection intensive et extensive

Traitement terrestre

Vondron'Olona IfotonyMiady amin'ny Valala

Slider

Ny mason’ny valala

           

MIFANIZINA BE ny andiam-balala rehefa manidina, ka mety hahitana “valala 80 tapitrisa be izao ao anatin’ny faritra iray kilaometatra toradroa.” Mahagaga anefa fa tsy mifandona mihitsy izy ireny. Nahoana?

Misy hozatra hafakely eo aoriana indrindra amin’ny mason’ny valala, mifandray amin’ny atidohany. Inona ny asan’izy io? Mamantatra an’izay zavatra mihetsika manodidina azy. Mandefa baiko haingana ilay hozatra raha vao mitady hifandona amin’ny valala hafa izy. Voarain’ny elany sy ny tongony ilay baiko, ka miala avy hatrany izy. Haingana be izany rehetra izany, satria avo dimy heny amin’ny indray mipy maso

Famonom-balala voafehy, fambolena sy fiompiana mahomby