Ivotoerana Fomongorana ny Valala eto Madagasikara

Fitokanana trano fivahinianana ao amin’ny Foibe ao Mitsinjo Betanimena Toliara

Notanterahina ny faha-9 janoary 2019 teo ny fitokanana ireo fotodrafitrasa eo anivon’ny Foiben’ny IFVM ao Mitsinjo Betanimena Toliara II dia ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena (baolina kitra sy baolina basikety ary koa volley) sy ny toeram-pilalaovan’ny zanakin’ny mpiasa.

Izany dia notarihin’ny Filohan’ny Filankevim-pitantanan’ny IFVM, Ramatoa Berthine RAZAIARIMANANA niaraka tamin’ny Mpanolo-tsaina ara-teknikan’ny Filoham-panjakana sy ny Tale Jeneralin’ny IFVM ary ireo Tale mpiara-miasa aminy.Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity ny Lehiben’ny Faritra Atsimo-Andrefana sy ireo olona manan-kaja Sivily sy Miaramila.

Nisy ihany koa ny fanolorana fitaovana entina miasa toy ny groupe électrogène maromaro sy kit de campement hoan’ny mpiasa.

Nitohy tamin’ny lahateny nifandimbiasana ny fotoana ary nofaranana tamin’ny fiarahana manala hetaheta.

 

 

 

 

Famonom-balala voafehy, fambolena sy fiompiana mahomby
-->