Ivotoerana Fomongorana ny Valala eto Madagasikara

Taona 2019 : Fety roa sosona

Notontosaina ny faha 18 janoary 2019 ny lanonana fifampiarahabana tratry ny Asaramanitra 2019 hoan’ny fianakaviam-ben’ny IFVM manerana ny Nosy. Izay natao tao amin’ny « Salle polyvalente » ao amin’ny « Jardin de la mer » Toliara.

Tonga nanotrona ity lanonana ity ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ireo Tale mpiara-miasa ary ny Mpitantana ao amin’ny Ivotoerana sy ny Ekipa any amin’ny faritra rehetra iasan’ny IFVM.

Nirary soa ny Ekipa ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Julien MANDRANO ary matoky ny firaisan-tsainan’ny rehetra amin’ny fitazomana ny fotoana fitonian’ny valala.

Ity lanonana ity moa sady nanatanterahana ny fifampiarahabana tratry ny taom-baovao 2019 ary koa fankalazana ny faha roa taona niforonan’ny IFVM. Nafana dia nafana ny lanonana. Izany rehetra izany dia tanatin’ny filaminana sy firahalahina tanteraka.

  

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Famonom-balala voafehy, fambolena sy fiompiana mahomby
-->